Vaovao samihafa

FOTODALANA SY FITSIPIKY NY F.J.K.M.

1. NY FITANDREMANA

And. 15: Ny Fitandremana dia Fiangonana iray na maromaro entin'ny Mpitandrina iray araka ny fandaminana.

Fanazavana: noho ny tsy fahampian'ny Mpitandrina no nahatonga izany fandaminana izany, tsy afaka mamonjy Fiangonana telo ny Mpitandrina iray isak'alahady ohatra, indrindra raha mitovy ny ora fidirana hivavahana sy lavitra ny elanelan'ny Fiangonana, ny Fiangonana eny amin'ny tanan-dehibe, tsara ny manana Mpitandrina isaky ny Fiangonana tsirairay rahatoa ka mahazaka izany ny Fiangonana.

Fampiharana: raisintsika ohatra ny F.J.K.M. eto la Réunion, tamin'i 1999 no niorina voalohany ny FJKM (association Cultuelle): nitambatra tao avokoa ny Fiangonana telo izay Fitandremana iray ihany, ny taona 2005 kosa dia nafindra toerana ny Mpitandrina nitantana ny Fitandremana tamin'izany, tsy nanaiky ny fanapahan-kevitry ny Foibe ireo nanaradia Azy, rehefa nivoaka ny fanapahan-kevitry ny Birao Foibe, ny hananganan'ny Fiangonana Saint-denis ho "Association Cultuelle" mba hampandrosoana ny asan'Andriamanitra. Rehefa nitsangana izany dia nisy ny Mpitandrina Delege nandritra ny taona 2005, fa rehefa tonga kosa ny Mpitandrina Fitandremana ny taona 2006 dia nanangana "Association Cultuelle" vaovao Izy, fa ny Fiangonana FJKM Saint-Denis kosa dia nangataka ho Fitandremana manokana. Izany hoe: tsara ny hananan'ny Fiangonana tsirairay avy mitsangana ho "Association Cultuelle" mba hisian'ny Mpitandrina tsirairay avy amin'ny tanan-dehibe sahala ny aty la Réunion, ny fitambaran'ireo rehetra ireo no manome Synodamparitany iray (Union Association Cultuelle FJKM). Ny mahatsara ireo dia samy manana ny fitantanany ara-bola avy, izay ara-dàlana eto amin'ny tany frantsay. Ny Conseil d'Administration dia manana anjara toerana lehibe ao amin'i Fiangonana, satria izy irery ihany no hitan'ny fanjakana amin'ny fifampiraharahana rehetra, mila ianarana ny fitondrana izany.


manonta
Manonta ity pejy ity

   
Vous êtes le visiteur

Copyright © 2006, FJKM Saint-Denis. Tous droits reservés.

Date de la dernière modification: 10/02/07


"Mandehana raha mbola manana ny mazava ianareo...dia minoa ny mazava" (Jao.12. 35b-36)
 

VAOVAO SEKOLY ALAHADY

Vaovao rantsana :Miditra ny Alahady 28 Janoary @ 10 ora ny Mpianatra Sekoly Alahady rehetra.

VONDROM-BAVAKA

Vondrom-bavaka isam-paritra ao Betela: isaky ny zoma 6ora sasany hariva.

Tsara ho fantatra

Fitandremana FJKM Saint-Denis de la Réunion

Ny Fiangonana Betela eto Saint-Denis, fiaraha-mivavaka isaky ny Alahady amin'ny 11ora antoandro ao amin'ny Eglise Notre Dame de l'Assomption, Rue Général De Gaulle mifandray amin'ny Rue Jean Châtel.


VAOVAO SEKOLY ALAHADY

Vaovao rantsana :Miditra ny Alahady 28 Janoary @ 10 ora ny Mpianatra Sekoly Alahady rehetra.

VONDROM-BAVAKA

Vondrom-bavaka isam-paritra ao Betela:isaky ny zoma 6ora sasany hariva.


Tsara ho fantatra

Fitandremana FJKM eto amin'ny Nosy La Réunion

Ny Fiangonana Betela eto Saint-Denis, fiaraha-mivavaka isaky ny Alahady amin'ny 11ora atoandro ao amin'ny Eglise Notre Dame de l'Assomption, Rue Général De Gaulle mifandray amin'ny Rue Jean Châtel.


 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

MEMBRES DU CONSEIL D'ADMINISTRATION DE L'ASSOCIATION CULTUELLE DE LA F.J.K.M. SAINT-DENIS

Président: Pasteur RANDRIAMORA Max

Sécretaire: Mme RAMAMISON Noëlle

Trésorier: Mr RAHARISON Richard

Sécretaire Financier: Mr RAJAONASIARY Andrianaivo

Conseiller: Mr RAJESSON Narifidy

ASSOCIATION CULTUELLE

Raha niofana tamin'izany ny tenanay dia mahay manavaka tsara ny "Association Cultuelle" sy ny "Eglise", hatramin'ny "loi 1905" dia Izay Fiangonana niorina rehetra taty aoriana dia tsy maintsy manaraka ny rafitra Izay napetraky ny fanjakàna Frantsay, ny "loi 1901" ihany no fantatry ny fanjakàna sy mifampiraharaha aminy amin'ny lafiny fifandraisana rehetra , miankina amin'io izany ny "loi 1905", ka miankina amin'ny déclaration ataonao ao amin'ny "objet: exclusif Culte" no ahafantarana fa Association Cultuelle ianao, tsy manana Statut "Eglise" ianao raha tsy nanao fangatahana izany fazahoan-dalàna izany tany amin'ny "Conseil d'Etat" satria mbola tsy misy "Haut Conseil du Culte" eto La Frantsa. Noho izany na inona na inona fanapahan-kevitry ny Fiangonana (Conseil Presbytéral) dia tsy tokony hifanohitra amin'ireo lalàna velona mifehy ny Association Cultuelle izany, "responsable pénalement" ireo "membres du Conseil d'Administration" fa tsy ny "membres du Conseil presbytéral" akory?

Ny Mahagaga dia manao izay tiany hatao ny Mpitandrina F.J.K.M. avy any Madagascar izay mitondra ny Fitandremana FJKM (Association Cultuelle vao natsangana vao haingana indray) ankehitriny eto La Réunion? Tsara miverina miofana momba ny antsoina hoe "Association Cultuelle" Izy, na ny fandavorariana ny statuts Aza dia Izy ihany koa no nanatontosa izany? Rahoviana indray ny fananganana manaraka rehefa tsy eken'ny Foibe FJKM io?

FIJOROANA VAVOLOMBELONA

Asan'ny Satana ve ny tsy fanarahana rafitra izay napetraka eo anivon'ny Fiangonana sy ny "Association Cultuelle"?

"Meloka eo anatrehan'Andriamanitra ny tenako raha tsy milaza ny marina" : izany teny izany dia entina eo anivon'ny mpino rehetra fa tsy misy afa-tsy ny fahamarinana sy fanajana ny rafitra misy no ahafahana mandroso eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Na nianatra firy taona ianao na nianatra firy taona momba ny "Soratra Masina" kanefa ny toetra hasehonao eo amin'ny fiaraha-monina mifanohitra ny amin'izany dia mpaminany sandoka ianao, mitarika ny olona any amin'ny fahaverezana satria ny fangoronan-karena sy ny fahefana tokana no manjaka hatrany. Rehefa miaina aty amin'ny tany mandroso ianao dia tokony hivoatra hanaraka izany koa ny fomba fisainana fa tsy ny toetra niainanao hatrizay foana no hampiharinao akory. Ny " Démocratie Chrétienne" = Association Cultuelle sy ny " Discipline Ecclésiastique"= Conseil presbytéral dia afaka miaraka tsara mba hisian'ny "trasparence", ka ny fitambaran'ireo no antsoina hoe Fiangonana eto Frantsa.

Efa ho roa-polo taona no nihainako teto amin'ny Nosy la Réunion, raha nitsangana teto ny F.J.K.M. tamin'i taona 1999 dia nandroso soa aman-tsara ny fanjakan'Andriamanitra, rehefa tonga ny Mpitandrina raikitra notendren'ny Foibe FJKM tamin'i taona 2002 dia nipoitra ny olana maro isan-karazany taty aoriana ka niafara tamin'ny famindra-toerana io Mpitandrina io sy ny fanakantonana ny Fiangonana nivavahan'ny mpino tamin'i taona 2005, ny Mpitandrina FJKM mitana fitandremana nandritra ny roapolo-taona taty Frantsa no nofidian'ny mpino hitantana ny "Conseil d'Administration" vaovao, FJKM Saint-Denis eto la Réunion mba hanoro lalana ny Mpitandrina vaovao raikitra ho tendren'ny Foibe FJKM, rehefa tonga izany Mpitandrina izany ny volana aprily 2006, tsy ampy teolovolana monja ny nahatongavany dia izy mihintsy no namolavola ny statuts sy Règlement intérieur vaovao nefa efa misy izany, asa na fahefana avy amin'iza na amin'iza no nahafahany manao izany? misy "Cahier des charges" tokony harahiny izay efa napetraka ary nankatoaviny rehefa nandray ny Fitandremana FJKM Saint-Denis Izy fa tsy najainy izany. Fanapahan-kevitra samy irery no nataony niaraka tamin'i membre iray tao amin'i Conseil presbytéral , ary ny Conseil presbytéral no fitaovany entiny nanantanterahiny izany nefa tokony nodinihany niaraka tamin'i Filohan'ny Conseil d'Administration aloha? Tonga tamin'i tanjona notadiaviny Izy ny 01 novambra 2006, nataony ny fanovana ny membres du Conseil d'Administration FJKM Saint-Denis, tsy nanaiky io ny Birao FJKM Foibe, ny olona rehetra tsy nanaiky ny heviny dia nailiny avokoa tamin'i Fomba tsy mendrika, anisan'izany ny mpanoratra. Nanomboka teo ny toriteny ataony sy ny fihetsiny amin'ireo olona tsy manaraka ny heviny dia mahery vaika, ka niteraka fisavorovoroana teo anivon'ny Fiangonana, ny fanambarana nataony hatrizay teo amin'ny filazandraharaha fa tsy hiankina amin'ny FJKM intsony ny FJKM Saint-Denis, efa nanangana FJKM vaovao mantsy Izy (Fitandremana FJKM Réunion) , izay neken'ny Birao Foibe FJKM, asa na tamin'i fomba ahoana no nitaritany ny Birao Foibe FJKM tamin'izany? misy ny ahiahy eo amin'ireo Mpandray fanasan'ny Tompo ankehitriny, niteraka fankahalàna mihintsy izany? fanalana ny Mpitandrina Filohan'ny Conseil d'Administration ve ny tanjony sy ny tanjon'ireo mpihevidraharaha efatra nanaradia Azy sa ny hananganana Birao Foibe bis eto La Réunion? Inona marina ny zava-miafina ao ambadik'izao ? Raha nanatrika ny mpihevidraharaha farany niarahana tamin'ny Mpitandrina ny tenako dia fitsarana olona iray no niseho tao hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, navelan'ny Mpitandrina nifandramatra ny mpivory? (azo halefa eto izany raha ilaina?), rehefa nekena fa ho Fitandremana iray ny FJKM Saint-Denis dia mbola miahy Izy mandram-pahatonga ny Mpitandrina vaovao tendren'ny Foibe FJKM, ny zava-nitranga tao am-piangonana farany teo dia nampalahelo mihintsy, nilaza am-pahibemaso ny Mpitandrina fa izay hanaraka Azy dia misoratra anarana amin'ireo tompon'Andraikitra izay miandraikitra izany ery am-baravarana rehefa mirava. Fomba fiasa manao ahoana izany amin'ny maha Mpitandrina azy? Sahala ny nanilihana ireo mpino tsy handraisan'izy ireo anjara amin'ny fitorianteny ao amin'ny fotoam-pifohazana sy fitarihana fotoana ao ampiangonana rehefa tsy ao Izy (indroa isam-bolana ihany no ao Saint-Denis)? Mipetraka ny fanontaniana manao hoe raha mandoa ny fivelomany ny FJKM Saint-Denis(Association Cultuelle) tsy tokony hanaraka ny rafitra mipetraka koa ve izy? Aty an-tanin'olona ny mpino Malagasy, mafy ny fiainana an-davan'andro, ny fanavakavaham-bolokoditra, ny asa...mila filaminana ny mpino, ny toriteny henoiny tokony mba hahafahany mitondra mody, ary raha fanafintohana kosa no henony dia ahoana? Tokony handray andraikitra ny Diakona, ny mpihevidraharaha manolona izao toe-javatra izao? Firifiry ireo ondry efa niala, nifindra Fiangonana, na ireo mipetraka any an-tranony sisa, be ny ondry very...?

Rehefa tsy arahina ny rafitra dia hatraiza no hiafaran'ny Fiangonana?

Andry ANDRIEUX


PERIKOPA VOLANA FEBROARY:

" RAINAY IZAY ANY AN-DANITRA "

"Mandehana... ary mivavaha amin'ny Rainareo:"

Alahady 11 Febroary 2007 : Alahady V man.EPIFANIA

Alahadin'ny Baiboly anio. Omentsika anjara toerana ny Tenin'ilay Andriamanitra Raintsika.

Fanazavana: Deo. 312: 1-9

Eo amoron'ny ranomasina mena, handeha hiditra ny tany Kanana nampanantenaina, no manao ity hira ity Mosesy. Hitany ny zava-niainana tany an'efitra, ka nahalany ritra ireo, razana, izay tondroiny ho tsy zanak'Andriamanitra. Ny fahotany tany an'efitra no nahalany ritra ireny. Vanim-potoana lehibe sy vaovao no misokatra manomboka eto. Toy ny ranonorana hahavokatra ny tany no hahatongavan'ny fampianarana sy ny Tenin'Andriamanitra. Aseho toy ny vatolampy marin-toerana tsy mihetsika kosa ny Tompo eto. Ny fahatokiany tsy miova no ambaran'izany. Tsy mivadika amin'ny teny nataony sy nampanantenainy Izy, na inona na inona nitranga. Amin'izao Alahadin'ny Baiboly izao dia azo amafisina tsara eto ny anjara toeran'ny Tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny vahoakany (na ny mpino, and. 1-3), fa ny miavaka indrindra eto dia Andriamanitra Ray Mpahary sy Mpanavotra(and.6). Na dia zanany avokoa aza ireo taranaka tany aloha, dia izay nanaiky havotany ihany no tena zanany sy manana Azy ho Rainy.

Fanazavana:Jaona 8: 39-47

Ny maha zanak'i Abrahama, amin'i Jesoa, dia ny fanekena ny teny marina. Tsy mpamono olona Abrahama ary tsy manana taranaka mpamono olona ihany koa. Miova ary ny fototra ananana an'i Abrahama ho razana. Andriamanitra mihitsy no Rain'Israely fa tsy Abrahama. Ary i Jesoa Kristy no iorenan'Izany. Na manaiky an'i Jesoa sy ny Teniny dia tonga zanak'Andriamanitra. Na manda izany dia lasa zanaky ny devoly (and. 44). Tsy misy toerana tanan'i Abrahama intsony amin'izany, fa lasan'i Jesoa ny ivo. Ao aminy no maha zanak'Andriamanitra antsika sy ananantsika an'Andriamanitra ho Ray. Ny maha an'i Kristy antsika no maha taranak'i Abrahama sy handovantsika ny teny fikasana (Gal. 3: 29).

Tsy taranaka araka ny nofo izany fa fahaterahana vaovao ny mpino an'i Jesoa izay manana an'Andriamanitra ho Rainy.

Fanazavana: Jakoba 1: 16-18

Ireo fanazavana eny amin'ny lanitra

Ny teny no nentin'Andriamanitra Ray nahariana izao tontolo izao. Iray amin'ireny ny fanazavana, ka ilazana an'Andriamanitra hoe "Rain'ny fanazavana" (and. 16). Asehon'ny Soratra Masina amin'ny tantarana'ny fahariana fa zavatra noharian'Andriamanitra ireo fanazavana eny amin'ny lanitra, dia ny masoandro sy ny volana aman-kintana. Ireto no ilazana azy, hoy ny Gen. :14:

-fanazavana hampisaraka ny andro sy ny alina

-famantarana sy fotoana ary andro sy taona

Samy anondroana fitaovana avokoa ireo. Fiovam-penitra lehibe ara-pinoana tokoa io ambaran'ny Genesisy io fahizany. Ny razamben'ny Jiosy izay Babyloniana, dia nivavaka tamin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Ireo no ninoany ho mibaiko ny fiainana an-tany, mandahatra mialoha izay hiseho, ary dia tsy afaka manao na inona na inona afa-tsy ny manaiky izay mitranga ny olombelona.

Andriamanitra Rain'ny fanazavana

Ny maha Mpahary an'Andriamanitra no ambara amin'izany. Izy no nampisy ireo fanazavana ireo, toy ny niteraka ihany koa. Azy ireo, zava-boariny, baikony ary manaiky izay tiany hatao. Napetrak'Andriamanitra hanaraka ny lalany na ny fiodinany(orbite) tsirairay avy izy ireo, ary tsy afaka hivaona amin'izany.

Raha nandahatra sy nanisy ambaratongam-mpiandrianana teo amin'ny zavaboariny aza Izy, dia ny olombelona no nataony ambony indrindra (Sal. 8:5) Isika olombelona no lefitr'Andriamanitra, laharana faharoa aorian'Andriamanitra. Isika no nomeny didy lehibe hitaona ny zavaboary hidera Azy, toy izany koa ny masoandro amam-bolana sy ny kintana. Ny maha Rain'ny Fanazavana an'Andriamanitra ary dia mametraka antsika tsy hivavaka na hiantehatra amin'ny fiodian'ny masoandro amam-bolana sy ny kintana. Tsy mahazo manao sarin-javatra voasokitra mba hivavaka na hanompo ireny zavatra eny amin'ny lanitra ambony ireny isika (Eks. 20:4). Zavaboary ambany lanja sy voninahitra noho isika ireny.

Sady zanaka isika no santatra (and. 18)

Tsy misy fiezahana azontsika atao mba haha zanak'Andriamanitra antsika indray. Ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany no hananantsika izany. Ary ny fandraisana ny teniny no hananana izany. "Zanak'Andriamanitra...naterak'Andriamanitra", hoy ny Jao. 1:12-23. Anarana vaovao raisin'ny mpino an'i jesoa ny zanak'Andriamanitra.

Ny santatra kosa dia ilazana voaloham-bokatra tsara ara-kalitao. Famerenan'ny Tompo izay nohariany fahiny no tazana eto: tsara indrindra izay nataony rehefa vita ny fihariana ny olombelona(Gen. 1:31).

EXTRAIT NY BOKY "NY TENY SOA"


VAOVAOM-PIANGONANA

Ny FJ.K.M. SAINT-DENIS dia "FITANDREMANA F.J.K.M." Mahaleotena mba hanana ny Mpitandriny manokana.

Ny Alahady 11 Febroary 2007: fotoam-pivavahana-11 ora ao Betela Saint-Denis

Ireo Loholona sy Diakona ao amin'i Fiangonana F.J.K.M. Saint-Denis:

1.Loholona:

- Rtoa SABATTIER

2.Diakona:

-Rtoa RAJESSON Liliane

-Rtoa RALIDERA Lucie

-Rtoa RAHARISON Hanitra

-Rtoa RAMAMISON Noëlle

-Atoa RANDRIANARIVONINTSOA Olivah

-Atoa RAJAONASIARY Andrianaivo

-Atoa RAMAMISON Johny

-Atoa RALIDERA

-Atoa RAHARISON Richard

Ireo sampana velona ao am-piangonana: SAFIF, STK, SLK, DORKASY, SA.

Fanamarihana: ny Fiangonana FJKM Saint-Denis dia tsy manao "soutien scolaire" , manatona ny Sampana Tanora Kristiana raha mila fanazavana fanampiny.

Ny Alahady 18 Febroary: fivoriam-be ara-potoana isan-taona (AG) amin'i 4ora hariva, izay ho tanterahina ao Espace Eaux Vives - Ruelle de La Délivrance - Saint Denis :

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Eglise de Jésus Christ de Madagascar

FJKM Saint Denis de la réunion

CONVOCATION A L'ASSEMBLEE GENERALE ANUELLE

Chers frères et sœurs en Christ,

Conformément à l'article14 de notre Statuts,

Le Conseil d'administration présidé par le Pasteur RANDRIAMORA Max vous convie à l'assemblée générale ordinaire qui aura lieu :

à l'Espace Eaux Vives - Ruelle de La Délivrance - Saint Denis ,

le dimanche 18 février 2007 à partir de 16 h.

Il sera présenté à l'ordre du jour :

•  Le règlement intérieur ;

•  Le rapport moral ;

•  Le rapport financier ;

•  Le budget 2007.

•  Le renouvellement des membres

•  Divers

Votre présence est indispensable pour la gloire de Dieu.

Fait à Saint Denis le 25 janvier 2007

Le conseil d'administration

FIANGONAN'I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA / F.J.K.M. Saint Denis

36, rue Léo Lagrange Apt 9 97490 Sainte Clotilde Réunion

Tel: 02 62 28 86 11 : 0692 63 33 22 Email : fjkmstdenis@yahoo.fr


KATEKISTA TOMPON'ANDRAIKITRA

Ny filazana hoe: "tompon'andraikitra" dia mifamatotra hatrany amin'ny fanomezana izany andraikitra izany. Notolorana andraikitra matoa manana, sahanina araka ny fahefana nomena izany andraikitra izany, ary azo sintonina indray izany amin'ny fotoana hafa.

- Mpandray ny Fanasan'ny Tompo misoratra anarana ao amin'ny FJKM: nampianarina ny foto-pinoana sy fampianarana omen'ny FJKM (Katekomena) ireo te ho anisany, ary voa-marina ara-pinoana, ara-pahaizana, ara-toetra, ara-piorenana tsara ao amin'ny FJKM

- Olona nitokisan'ny Mpandray Fanasan'ny Tompo: natolony hiofana tamin'ny alalan'ny taratasy fanolorana nomen'ny Mpitandrina misy azy .

- Efa nahavita fiofanana ho Mpitoriteny na/sy Mpiandry FJKM (SEFALA): fiofanana andalovana ny iray amin'ireo (na izy roa) ho an'izay te ho tonga Katekista.

- Mahatsiaro nandray ny antson'ny Tompo ho Katekista: fanompoana hafa noho izay efa nataony io, ary nahatsiaro nandray antso momba izany.

- Afaka manohy mandalina ny fiofanana any amin'ny Toeram-panomanana Laika toy ny sehatra Teolojika ho an'ny Laika (SETELA), raha voaray soamantsara.

- Afaka manohy mandalina ny fiofanana ho Mpitandrina koa ny Katekista hatreo amin'ny faha-40 taonany, raha afa-panadinana soamantsara.

Araka ireo, ny Katekista dia avy amin'ny Fiangonana FJKM, hofanin'ny FJKM ary hiasa ho an'ny FJKM. Ataovy fifaliana raha lalan-davitra ny hahatongavana ho Katekista, satria tsy raharahan'ny zazavao amin'ny finoana ny fitondrana fiangonana. Mbola azo tohizana hatrany koa izany fitiavana handalina ny fiofanana efa ananana izany.

Fanofanana Katekista sy Katekista Delegasiona Pastoraly tany Arivonimamo: 13 Jolay 2006 - 16 Jolay 2006


NY MPIANDRY MANDEHA ARAKA NY FANAHY

- Teny fandre matetika eo amintsika ny hoe: mandeha ara-panahy e! Zava-dehibe tokoa izany, fa ny zava-dehibe tokony ho fantatra koa dia izao: fantatrao ve; inona moa no hevitr'izany...?

- Mety hisy hisaina koa isika ka hanao hoe: Fa angaha moa nisy Mpiandry tsy mandeha arakany Fanahy...? Ny hitarika antsika hamantatra ka hiaina sy handeha amin'izany indrindra no anton'izao.

- Mpiandry manao ahoana , Mpiandry toy inona no antsoina hoe: Mpiandry mandeha araka ny Fanahy...? Tsy ary ho voatanisa eto avokoa ny amin'izany rehetra izany. Valiny marobe no azo ambara momba izany fa ireto no santionany amin'izany:

1- Miaina amin'ny Tenin'Andriamanitra ( Jao. 14/15;23;26)

2- Miaina amim-bavaka (Asa. 2:42, I Tes. 5:17)

3- Mandeha amin'ny Fiainana vaovao ( Galt. 5:19-21, Galt. 5:22-24, II Kor. 5:16-17)

4- Manana fasahiana (Asa. 2:32, 36-Asa. 4: 17-20, Asa. 5:29, Mar. 13: 9-11)

5- Manana fitiavana (Asa. 2: 42-46, Galt. 5:22)

6- Mazoto miasa (Rom. 12:11)

Maro no azo ambara izay samy marina avokoa raha momba ny fandehanana araka ny Fanahy no asian-teny fa santionany ihany ireo, tari-dàlana hitondra fahombiazana ho anao. Hianao koa heveriko fa mahita sy manana hevitra ankoatr'ireo. Ny zava-dehibe dia izao:"tsy mora ny asa, maro ny zava-tsarotra ho sedraina nefa mavesa-danja noho izany ny herin'ny Fanahy Masina hatafin'ny Tompo antsika".

Didiana sy hanarina handeha araka ny Fanahy isika (Gal. 5: 25). Angatahina amin'ny fivavahana ny Fanahy Masina, ny vavaka no hahazoana ny Fanahy Masina izay nomen'Andriamanitra amin'izay mangataka aminy.

Ny handeha araka ny Fanahy, izany no tadiavin'Andriamanitra amintsika dia ireo notanisaina teo ireo ny porofon'ny fandehanana araka ny Fanahy.

Azontsika atao ny mivavaka mangataka amin'Andriamanitra ny Fanahy Masina hameno antsika. Ny Fanahy Masina no zava-tsoa tian'Andriamanitra homena antsika ary izany no tokony hangatahintsika aminy isan'andro ka hahtonga antsika handeha araka ny Fanahy dia hahita vokatra tokoa eo amin'izay rehetra ataontsika.

Koa mandehana, mahereza fa ny Tompon'ny fiantsoana sady antoky ny fanirahana no manome antsika ny hery hahefana izany.

Andry ANDRIEUX, Mpiandry


NY SOTERIOLOZY (Ny asa fanavotana)

Nanendry sy nanokana mpanao raharaha telo karazana Andriamanitra tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha: dia ny MPAMINANY, ny MPISORONA, ary ny MPANJAKA. Asa samy nanandindona an'i Kristy ireo raharaha telo samy hafa ireo, ka nanondro ny asa hataony. Araka ny Soratra Masina dia Mpaminany sy Mpisoronabe ary Mpanjaka Jesoa.

Lazain'ny Baiboly ary, fa Jesoa Kristy no nisolo antsika, nanaisotra ny helotsika, ary izany no nanavotany antsika tamin'ny ota sy ny fahafatesana ary ny fanjakan'i Satana. Sady mbola miseho eo anatrehan'ny Ray izy ka mifona ho antsika.

Izay mandray am-pahatsorana izany teny izany ka mitopy amin'i Jesoa dia ho voavonjy tokoa tsy am-pisalasalana.

Vakio Hebreo 9: 11-23

Ireo mpandinika tranainy momba ny demonia (demonologues) dia afaka nandahatra ny demonia araka izay manavanana azy avy.

1. Alphonse de spina (1467): raha nanao fandinihana momba ny demonia izy, dia nahita karazany folo:momba ny ho avin'ny olona, momba ny fanakorontanana fitaovana ao an-trano (poltergeist), momba ny firaisana ara-nofo (incubes et succubes), momba ny miaramila na vahoaka manao andiany, momba ny demoniam-pianakaviana, momba ny nofy ratsy, momba ny firaisana ara-nofo mba ahazoana taranaka, momba ny fangalarana endrika sy famitahana, momba ny fandrebirebena olo-masina, momba ny fandrebirebena anti-bavy.

2. Binsfeld (1589): ny famaritana nataony dia niainga tamin'ny fahotana fototra miisa fito. Noho izany dia nahitana karazana demonia fito izy: i Lucifer: lehiben'ny avonavona, i Mammon: lehiben'ny fitiavam-bola sy ny fahihirana, i Asmodee: lehiben'ny fitiavana rendrarendra, i Satan: lehiben'ny fikomiana, i Belzebuth: lehiben'ny hatendahan-kanina, i Leviathan: lehiben'ny filàna, i Belphebor: lehiben'ny hakamoana sy ny zava-poana.

3. Guazzo (1608) sy Hallywell (1681), izay nindrana ihany koa ny fikarohana nataon'i Psellos, izay nanasokajy ny demonia ho enina karazana arakaraka ny toerana onenany, dia nametra azy ho enina ihany: mipetraka any amin'ny habakabaka ambony indrindra any, tsy manana fifandraisana amin'ny olombelona; -mipetraka eny amin'ny habakabaka manodidina, ka mitondra rivo-doza; -mipetraka ety ambonin'ny tany ka monina any anty ala sy lava-bato ary eny amin'ny tany fambolena; -mipetraka any anaty rano ka vehivavy, ary manimba ny fiainan'ny hazandrano; -mipetraka anaty tany, ka mitondra horohorontany sy miambina ireo harena miafina; -maizina , sy mankahala hazavana sy ny andro. Mainty avokoa izy ireo ary tsaratsara amin'ny olombelona ny tsy mifanena aminy. Nazera tamin'ny tany Izy, ary ny anjeliny koa nazera taminy" (Apo. 12:9)

4. Cabbalistes tandrefana: ny teny hoe Kabbal dia milaza fikarohana tranainy teo amin'ny Jiosy momba ny fifandraisana amin'ny Fanahy. Azo adika hoe fomba fikarohana ny hevitry ny Soratra Masina izy. Ireto mpikaroka ireto kosa dia nahita fa efatra karazana ihany ny demonia:ny sylphes: izay mipetraka eny amin'ny rivotra; -ny salamandres: izay mipetraka anty afo; -ny ondins sy nymphes: izay mipetraka anaty rano; -ny gnomes: izay mipetraka anaty tany.

Andry ANDRIEUX, Katekista


TANORA KRISTIANA MIATRIKA NY HO AVINY (Mpit. 11:9;12:8)

Toe-tsaina tena tokony hananan'ny tanora rehetra tokoa ny manomana sy miatrika ny ho aviny. Misy fitenin-dRazantsika manao hoe:" Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka". Inona moa no dikan'izany raha tsy hoe: rehefa tsy mahay manomana sy miatrika ny ho aviny ny tanora dia ho ratsy fiafara. Koa tena rariny loatra isika raha miara-mianatra manomana ny ho avintsika.

I-INONA AVY NO MAMARITRA NY HOAVIN'NY TANORA?

1-Fianarana 2-Asa 3-Tokantrano 4-Finoana

II-FOMBA FIATREHANA NY HO AVY?

Ny atao hoe miatrika: -Mandinika - Manomana-Mandrafitra

1-Fianarana:milofo amin'ny fianarana

2-Asa:manaja asa sady manam-paharetana amin'izany

3-Vady: Safidy azo antoka ny amin'izay ho vady

4-Finoana:miorim-paka tsara

NY SAMPANA TANORA KRISTIANA ILAIN'NY FIANGONANA ANKEHITRINY

Mandroso ny fiheverana ny tanora ankehitriny.Najoro ho andry eo amin'ny fiainam-pirenena ny tanora rehetra amin'zao fotoana izao.Tsy azo afenina koa anefa; fa amin'izao andro ankehitriny izao, izay lazaina ho andron'ny fandrosoana no ahitana tanora maro mikorosy tsy ankitsahatra; mivarilavo. Amin'izao fotoana izao no ahitana tanora tsy miraharaha intsony ny ambadiky ny ampitso "Impiry ho tanora ; ho faty ihany ve ka tsy handrovi-tsihy ...? Amin'izao fotoana izao no ahitana tanora manao ny fivavahana ho zava-maivana sy tsy misy dikany; tsy miraharaha an'Andriamlanitra. Amin'izao andro ankehitriny izao no isehoan'ny fahalovana eo amin'ny fiaraha-monina amin'ny endriny maro, indrindra eo amin'ny tanora.Eo anoloan'izany indrindra no mahatonga sy manosika antsika hieritreritra:

S.T.K. manao ahoana no ilain'ny Fiangonana ankehitriny?

TANORA MATAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA

Tanora matahotra an'Andriamanitra:tsy ilay tahotra mangeja ka tsy ahavitana na inona na inona fa ilay tahotra mahatonga hanantanteraka ao am-po sy eo amin'ny fiainana hanaja an'Andriamanitra. Ny tahotra an'Andriamanitra dia tsy fahafantarana an-tsaina fotsiny Azy sy fanaovana ny sitrapony. .

Tanora matahotra an'Andriamanitra: Mankato ny teniny; mitandrina ny didiny; manao ny sitrapony; mampihatra ny teny amin'ny fiainana andavanandro.

Tanora matahotra an'Andriamanitra:Mampifanaraka ny ato amin'ny tenin'Andriamanitra, mitandrina amndrakariva mba tsy hifanohitra amin'ny tenin'Andriamanitra ny fiainana. Ny olona matahotra an'Andriamanitra, dia olona miaina sy mivelona amin'ny tenin'Andriamanitra ao am-mpo, manjary fiainana ho azy ny teny. Ny olona toy izany no antsoina hoe: Matahotra an'Andriamanitra, ary izany no lazaina hoe: Tahotra ho an'Andriamanitra.

Sal.112:1-3; 128:1-6:Loharano miteraka ny fahasambarana ny fatahorana an'Andriamanitra.

Sal.11:10; Ohab.1:7:Izay rehetra mihaino sy mankato an'Andriamanitra no matahotra an'Andriamanitra ary izany no atao hoe: Fahendrena. Ny hendry dia izay matahotra an'Andriamanitra ary Tanora toy izany no ilain'ny Fiangonana ankehitriny. Zava-dehibe ao amin'ny STK araka izany ny fanabeazana ny Tanora ao aminy hatahotra an'Andriamanitra. (hitohy)

Filoha STK


NY DEMONIA SY NY FISEHONY

Hoy ny Jiosy indray andro izay tamin'i Jesoa: "Fantatray ankehitriny fa manana demonia ianao" (Jao. 8:52). Izao no navalin'i Jesoa ny Jiosy momba ny fiheveran'ny olona ny amin'ny demoniaka: "Fa tonga tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: manana demonia izy. Tonga ny zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: indro olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota" (Mat.11:18-19).

Nisy adihevitra narahina fanambarana izay tsy zakan'ny Jiosy, nataon'i Jesoa. Hoy Izy: "Izahotsy mba avy amin'izao tontolo izao" (Jao 8:23b); "...Izay hitako tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo" (and.38); "...ianareo manao ny asan'ny rainareo" (and.41) ianareo avy tamin'ny devoly rainareo" (and.44a). Dia nilaza tamin'ny fomba tsotra ny Jiosy hoe: "tsy marina va ny filazanay fa Samaritana ianao sady manana demonia" (and.48b).

Betsaka loatra ny fanambarana nataony izay tsy takatry ny sain'izy ireo. Jesoa rahateo mbola nanambara tena ho Andriamanitra. Fa ny mahalasa eritreritra dia ny niheveran'ny Jiosy fa Samaritana Jesoa, ary raha Samaritana Izy, dia demoniaka.

Hoy ilay rahalahy iray izay: raha nilaza ny tromba te hifindra toerana:" Toa nisy zavatra nihazo ny hatoko dia tafatsoaka niakatra tany an-tafontrano dia toa nigodogodona tany izy dia lasa, dia nahatsiaro maivana dia maivana aho ary tsy kamokamo toy ny teo aloha intsony ".

Fomba roa no hisehoan'ny demoniaka:

1. Fihetsika ivelany

2. Ny toetrany sy ny fihetseham-pony

Ny Soratra Masina ihany no mampianatra antsika, fa ny demoniaka dia voaozona miaraka amin'ilay dimonia manjaka aminy, raha tsy voavonjy. Ny demoniaka dia olona nazera (Apo. 12:9) tahaka ny demonia. Izany hoe, olona nampidinina ambanin'ny maha olona ny olona na hoe, ambany kokoa noho ny olona. Ny nambaran'i Jesoa momba azy ireo: "Tsy fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay... " ary mbola nampiany koa hoe "Miala amiko, ianareo..." (Mat. 7:22), tsy misy ifandraisan'i Jesoa amin'ny demoniaka ary tsy mifampiraharaha aminy akory Izy. Fantatry ny devoly izany ka izany no nahatonga azy hiteny hoe "Moa mifaninona akory izahay sy ianao ..." (Mat. 8:29). Averimberiny foana izany rehefa mahita Azy izy. Tsy izany ihany fa ny demoniaka dia olona voaroaka ho any amin'ny helo ary hatolotra ho ao amin'ny lavaka maizina (II Pet. 2:4) raha tsy voavonjy.

Na dia toy izany aza ny momba ny demoniaka, dia aza mamoy fo fa azo sitranina ny demoniaka (Mat. 15:28). Na dia voaozona ho any afo maharitra mandrakizay aza izy (Mat. 25:41), rehefa apetraka eo amin'i Jesoa Kristy ny famonjena azy, dia ho tanteraka ny tenin'ny Soratra Masina hoe " Ary Jesoa niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy" (Lio. 9:42). Meteza hamonjy asa fampaherezana satria avy amin'ny alalan'ny fametrahan-tanana no hahazoana ny Fanahy Masina (Asa. 8:18). Avy amin'izany no hahafeno ny fanahy antsika (Efes. 5:18).

Andry ANDRIEUX, Mpiandry


QU'EST-CE QUE LA DISCIPLINE ECCLESIASTIQUE ?

On peut définir la discipline ecclésiastique comme étant tout ce que le corps de Christ accomplit pour aider les chrétiens à mener une vie sainte, à suivre leur Seigneur au plus près. Elle comporte une partie spéciale et peu prisée des chrétiens: la discipline ecclésiastique corrective. La pluspart des Eglises évitent de pratiquer la discipline corrective, parceque celle-ci ne leur paraît pas en accord avec la teneur de la vie qui s'y déroule et qu'elle n'est pas compatible avec ses objectifs secrets. Aussi longtemps que l' Eglise tolère le péché en son sein, et ne se condamne pas elle-même... Aussi longtemps qu'elle ne démontre pas de façon visible le pouvoir de Jésus Christ qui délivre du péché, elle n'attirera pas le monde au Christ."? En tous temps et en tous lieux, les dirigeants, qu'ils soient religieux ou laïques, ont constaté que la discipline remplissait une fonction sociale utile en créant l'ordre au lieu du chaos, la prévisibilité au lieu de la confusion. Nous pouvons dire que bien que cruelle, la discipline est le moindre de deux maux. Dans sa forme la plus tyrannique, elle vaut mieux que l'anarchie. La liberté est impossible sans une certaine discipline. Et comme peu d'entre nous sont capables de s'imposer une vraie autodiscipline, il faut bien qu'il y ait une certaine forme de contrainte extérieure si nous voulons vivre dans une société libre et efficace. Ce sont les abus de la discipline, plus que la discipline elle-même, que nous devons craindre. On fait également un abus de la loi. Faut-il pour autant choisir le chaos? la seule raison qu'il n'y ait pas d'avantage d'abus de discipline ecclésiastique corrective est simple: cette discipline n'est pas suffisament pratiquée pour donner lieu à des abus.

Certes, la remise en vigueur de la discipline corrective dans les églises s'accompagne de dangers potentiels. Des personnes risquent d'être cruellement blesséees. Cette discipline à l'ordre du jour sont infiniment grands.

Andry ANDRIEUX